Hotohoto, kila forehitra trano maro eto amin’ny fokontany Aranta

ArantaTokony ho tamin’ny valo ora maraina latsaka kely, ny alarobia 12 aprily no may forehitra kilan’ny afo ny trano maromaro eto amin’ny fokontany Aranta, ato anatin’ny kaominina renivohitra Mahajanga I.  50 tafo mahery eo ho eo ireo trano rava sy  kila forehitra ary hotohoton’ny afo tanteraka. 

Na dia tsy nisy aza ny aina nafoy, potika tanteraka kosa ireo fanaka isankarazany, sy ny tahiry ambatry kely teo ampelatanan’ny mponina, toy ny vola, ny vary, ny fahitalavitra, ny lamba fitafy, ny radio, ny “lecteur”, ary ireo kojakoja isan-karazany ilaina amin’ny fiainana andavan’andro.

Na dia niezaka nanao izay faraheriny aza ny mponina mba hamono ny afo, voatery nojerem-potsiny ihany ny nifarany, satria tsy ampy ny fitaovana teo am-pelatanana hisakanana ny fivoaran’izany afo izany. Ireo mpamonjy voina (pompier) moa dia tsy tonga ara-potoana noho ny tsy fahatomombanan’ny serasera sy ny hateren’ny làlana amin’iny fokotany iny.

Miantso vonjy arak’izany indray ireo fianakaviana maro izay lasa traboina indray mipi-maso, manampy isa ireo traboina hafa mieli-patrana manerana ny Nosy ary tsy mbola nahitam-bahaolana hatramin’izao.

Nanangom-baovao, Rado
Solontena any Mahajanga

Répondre

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google

Vous commentez à l'aide de votre compte Google. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s