Miantso filoha Rajaonarimampianina ny Sojabe faritra Sofia mba hijery manokana ny zava-misy any an-toerana!

Sojabe-SofiaNivahiny tao amin’ny Radio Antsiva ireo solontena Sojabe avy any amin’ny faritra Sofia. Nanamafy Atoa  Randriamiary Luc, na Luc Be, izay filohan’ny Sojabe, fa tsy manao politika izy ireo, kanefa miara-miasa amin’ny zanaka faritra manana andraikitra amin’ny fitondram-panjakana. 

Nampatsiahy ihany koa izy ireo fa tamin’ny fifidianana lohaolona farany teo dia ny kandida  heverin’izy ireo afaka hiady amin’ny tsy fandriam-pahalemena no nosafidian’izy ireo ka Kolonely Lylison sy Paul Bert no hitan’izy mahafeno izany fepetra izany. Voafidy soamantsara tany amin’ny faritra Sofia tokoa  ireo kandidat lohaolona ireo. Ny mampalahelo anefa hoy izy ireo, ny nanenjehan’ny fitondram-panajakana i Kolonely Lylison, izay heverin’ireo fa fanenjehana ara-politika tsotra izao. Ka manao antso avo amin’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ny Sojabe faritra Sofia mba hamela malalaka i Kolonely Lylison.

Ny tena niompanan’ny dinika tao amin’ny radio antsiva dia ny raharaha “Antsakabary”. Nanamafy moa Ralahy Vincent, Sekreten Jeneraly Sojabe fa ireo polisy no nandoro ny tanàna tany Antsakabary, betsaka ny vavolombelona afaka mijoro amin’izany hoy izy ireo.

Nitodika manokana amin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina ireo Sojabe. “Miangavy anao izahay mba hijery manokana ny zava-manjo ny faritra Sofia, fa tsy rariny intsony ny zava-misy iainan’ny vahoaka.” hoy ny filohan’ny Luc Be.

Araho eto ny horonam-peo novokarin’ny Radio Antsiva, mirakitra ny dinidinika:

Répondre

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google

Vous commentez à l'aide de votre compte Google. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s