Namangy ireo tra-boina tany Ambohitsilaozana ny filoha Hery Rajaonarimampianina

Enawo-AmbohitsilaozanaTonga namangy sy ntondra teny fampaherezana ireo traboina navelan’ny rivo-doza Enawo tao Ambohitsilaozana, Ambatondrazaka, faritra Alaotra Mangoro ny filoha Rajaonarimampianina sy ny minisitra fambolena Rivo Rakotovao ny alatsinainy 13 martsa.

Nampanantenana ireo vahoaka tonga nihaino azy ny filoha fa handefa fanampiana ho an’ireo traboina vokatry ny rivo-doza Enawo iny. Fampanantenana somary nahagaga ny maro ihany satria ireo traboina maro be manerana Madagasikara dia efa tsy misy azo hoanina sy raisina ka mbola ahafahana miandry kanefa ny filoha tsy nivimbina sakafo, fa tonga araky ny fiteny hoe tena tanam-polo sy teny mamy fampaherezana ary kabary no hany mba nifampizarana tamin’ny vahoaka ka  natolotra ireo tra-boina efa ho fatin’ny mosary…

Miandry ny rariny arak’izany ireo vahoaka tsy mandady harona ary tena miandry mafy izany fanampiana izany ireo traboina manerana ny Nosy, indrindra moa ireto efa voafahana kabary tsara lahatra any Ambohitsilaozana, Ambatondrazaka ireto.

Marihina fa misy fiarabe niainga hono avy tany Antananarivo mitondra  fanampiana ho an’ny traboina nomanin’ny BNGRC kanefa sampona tavela eny an-dalana izany fiarabe feno fanampiana izany.

Répondre

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google

Vous commentez à l'aide de votre compte Google. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s