Vokatry ny rivo-doza Enawo tany amin’ny distrikan’ny Marolambo

mahanoro-marolambo2

Photo d’archive, RN11A entre Marolambo-Mahanoro

Henjana dia enjana ny vokadratsy napetraky ny rivo-doza Enawo. Potika avokoa ireo voly sy vokatra izay foto-pivelomana mba hianteheran’ireo mponina any amin’ny distrikan’ny Marolambo, faritra Antsinana, faritany Toamasina teo aloha iny.

Niakatra avy hatrany farafahakeliny avo roaheny ireo vidim-bokatra sy entana ary kojakoja ilain’ny mponina amin’ny fiainan’ny andavanandro, toy ny vary izay mahatratra hatramin’ny 1200 na 1400Ar ny iray kapoaka, ny solika, ny menaka, labozia, sira ary siramamy dia efa tsy teneninana intsony… Sahirana tanteraka ny mponina ary latsaka an-katerena ny vahoakan’ny Marolambo.

Tapaka ihany koa ireo làlana rehetra mampitohy an’ny Marolambo amin’ireo distrika 4 mifanila aminy toy ny Mahanoro, Fandriana, Anosibeanala, Antanifotsy. Niakatra ihany koa ireo reniranon’ny Nosivolo sy Sandranamby, ka tsy afaka mifandray ao Marolambo renivohitra  ireo Kaominina 11 any ambanivohitra mandrafitra ny distrika.

Mpianatry iray ao amin’ny CEG Marolambo no namoy ny ainy  taorianan’ny fihotsahan’ny tany nateraky ny fandalovan’iny rivo-doza Enawo iny.

Marihina fa isan’ireo distrika mitoka-moninana tanteraka, lazaina hoe  « lavitra Andriana » eto Madagasikara ny distrikan’ny Marolambo. Distrika iray mandrafitra iny faritra Atsinanana iny  amin’ny tapany atsimo ny distrikan’ny Marolambo izayy mirefy 3800Km2 ny velarany ary miisa 150 000 eo ho eo ny mponina ao aminy.

Marolambo-Carte

Sarin-tany Marolambo

Répondre

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google

Vous commentez à l'aide de votre compte Google. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s