Mifanesisesy ny lozam-pifamoivoizana eto Mahajanga !

 

accident-mgaNisy lozam-pifamoivoizana hafa indray nitranga teto Mahajanga. Nifandona teo Amboboka ny fiarakodia tsy matahodahalana 4×4 iray sy irony « moto » kely antsoina hoe « scooter » irony. Tsy nisy aloha ny aina nafoy fa somary nahitana ratra mafy ihany ilay nitaingina scooter.

Efa samy manaraka fitsaboana sahaza azy avy izy ireo ka tsy misy ahiana intsony ny toe-pahasalamany amin’ny ankapobeny. Teo akaikin’ny « Salama Rose Hôtel », Marovato-Abattoir moa no nitrangan’izany lozam-pifamoivoizana izany ny 2 marsa 2017. Miverimberina matetika tokoa ny lozam-pifamoivoizana teto an-tampotanan’ny Mahajanga tatoato izay, ka tokony asiana fiheverana sy fandaminana manokana mihitsy ny mahakasika ny fifamoivoizana amin’ny ankapobeny mba tsy hiverim-berenan’ny loza sy hitsimbinana ny ain’ny mponina mpifanaretsaka sy mpiara-belona.

Ny tsapa hatreto dia betsaka ireo tsy mpanara-dalàna sy ny minia mandika lalàm-pifamoivoizana tsotra izao eto Mahajanga. Tokony ho entitra ny tompin’andraikitra isan’ambaratonga manoloana izay rehetra mety ho fandikan-dalàna. Tokony hisy ihany koa ny fanentanana ny mpiara-monina miainga avy amin’ny kaominina eto Mahajanga I.

Tsiahivina fa tamin’ny fandalovan’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina farany herinandro lasa teo iny dia nahitana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina ihany koa teto Mahajanga, nateraky fiara 4×4 nitondra ireo mpiambina filoham-pirenena.

Manoloana ireo lozam-pifamoivoizana mifanesisesy ireo dia tokony mandray fananapahan- kevitra matotra ny Ben’ny Tanàna sy ireo mpanolotsain’ny Tanàna ary mitady fomba rehetra enti-manatsara ny fifamoivoizana eto Mahajanga I.

accidentcorteze

Fiara 4×4 an’ny mpiambina filoha Rajaonarimampianina.

Répondre

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google

Vous commentez à l'aide de votre compte Google. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s