Nitsidika fiangonana Anglikana i Papa François

img_0574Tonga nitsidika sy namangy ny fiangonana Anglikana teto Roma, renivohitry Italiana i Papa François anio alahady faha 26 febroary.

Ny Papa François sy Eveka Anglikana misahana ny kaontinanta Eropeana, Robert Innes dia niara nivavaka tao amin’ny Eglizin’olo-masina « Tous les Saints », Tempoly Aglikanina isany lehibe lehibe eto Roma.

Tantara lehibe eo anivon’ny fiangonana roa ireto ity fitsidihana ity, satria sambany tamin’ny tataran’ny finoana katolika no nisy  fitsidihan’ny Ray Masina izany Fiangonana Aglikanina izany. I Papa François izany no Papa Ray Masina  voalohany nivavaka tao aminy Tempoly Aglikanina ho an’olo-masina  eto Roma ity. Tempoly Angikana izay mankalaza ankehitriny ny taon-jaobily faha 200  taona niorenany teto anivon’ny renivohitry Italia.

Teo ampandraisana Papa Ray Masina, ny Eveka Anglikana Robert Innes, dia nisaotra manokana i Papa François ary nidera azy manokana amin’ny fitsimbinan’ireo mpifindra monina tonga ety Eropa.

Tsiahivina fa tany amin’ny taona 1534 no nisintahan’ireo anglikana tamin’ny finoana katolika taorian’ny fanafoanana ny voady fanambadiana na mariazin’Andriamanjakan’Angletera, Henry VIII.

Répondre

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google

Vous commentez à l'aide de votre compte Google. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s